<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>817</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Fizarana I

[V2]
 Andriamanitra Tompo ô !
 Ray, Fanahy, Zanaka,
 Mihainoa anay izao
 Ry Telo Izay Iray !

[V3]
 Jeso Zanak'i Maria,
 Naka endrik'olona,
 Tonga zaza toa anay :
 Mihainoa, Jeso ô !

[V4]
 Notafian-dreninao
 Lamban-jaza Hianao
 Tao anaty vilona :
 Mihainoa, Jeso ô !

[V5]
 Novangian'olona
 'Zay niandry ondriny
 Tao an-tsaham-Betlehema :
 Mihainoa, Jeso ô !

[V6]
 Notezaina Hianao,
 Notrotroin'i Simeona,
 Notompoin'i Ana koa,
 Mihainoa, Jeso ô !
 Fizarana II

[V7]
 Amin'ny avonavona,
 Amin'ny fahatezerana,
 Amin'ny fialonana :
 Mamonje, ry Jeso !

[V8]
 Amin'ny hevi-tsy madio,
 Amin'ny teny ratsy koa,
 Amin'ny fahasarotam-po :
 Mamonje, ry Jeso !

[V9]
 Hankatò ny didinao,
 Hankahala heloka,
 Mba ho zanakao tokoa :
 Mitariha, Jeso !

[V10]
 Mba hazoto izahay,
 Tia fivavahana,
 Tsy ho resin'i Satana :
 Mitariha, Jeso !
 Fizarana III

[V11]
 Noho ny nahaterahanao
 Noho ny ranomasonao,
 Noho ny fahorianao :
 Mamonje, ry Jeso ô !

[V12]
 Noho ny satro-tsilonao,
 Noho ny ra nalatsakao,
 Noho ny nitsangananao
 Mamonje, ry Jeso ô !

[V13]
 Noho ilay Anaranao
 Iondrehon'olona
 Sy ny ao an-danitra :
 Mamonje, ry Jeso ô !

[V14]
 Noho ny herinao tsy toha
 Noho ny voninahitrao,
 Noho ny famindramponao
 Mamonje, ry Jeso ô !</lyrics>
<title>Fizarana I FFPM817</title>
</song>